<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Nitondra ny zaza
 ny reny tao Salema,
 Mba hotahin'i Jeso Kristy
 be indrafo ;
 Nolavin'ny mpianatra izy,
 Nefa hoy Jesosy hoe :
 &quot;Avelao ny zaza
 hanatona izao&quot;

[V2]
 Fa Ahy ny zaza
 ka tiako indrindra,
 Mpiandry zanakondry Aho
 ka aza mandà ;
 Fa raha manantona Ahy izy,
 Hotahiko tsara e :
 &quot;Avelao ny zaza
 hanatona izao&quot;

[V3]
 Endrey mahagaga
 Ny fiantran'i Kristy,
 Fa indro zazakely aza
 asiany soa ;
 Avia, manatòna ilay
 Mpiandry zanakondry, ka
 &quot;Avelao ny zaza
 hanatona izao&quot;

[V4]
 Ry Jesosy Tompo !
 ampanatony Anao re
 Ny zazakely tafavory
 eto izao
 Izay mandrara mba rarao.
 Ho tò anie ny teninao :
 &quot;Avelao ny zaza
 hanatona izao&quot;</lyrics>
<title>Nitondra ny zaza ny reny FFPM248</title>
<hymn_number>248</hymn_number>
<author>Scottish Psalter</author>
</song>